Epistola Voalohan'i Md. Joany
Toko faha-3
7 Anaka, aza mety hofitahin'olona hianareo, fa izay manao ny marina ihany no marina toa azy marina koa.8 Izay manota dia avy amin'ny demony, fa mpanota hatrany am-boalohany ny demony. Ary ny handrava ny asan'ny demony no nisehoan'ny Zanak'Andriamanitra. 9 Izay rehetra naterak'Andriamanitra dia tsy manota, satria mitoetra ao aminy ny voa nafafin'Andriamanitra, sady naterak'Andriamanitra izy ka tsy mahazo manota. 10 Amin'izany no ahafantarana izay zanak'Andriamanitra sy izay zanaky ny demony. Izay rehetra tsy manao ny marina dia tsy avy amin'Andriamanitra, toy izany koa izay tsy tia ny rahalahiny.